« Lecture en rire » : tanjon’ny hetsika ny hanabe sy hampiala voly

Tontosa, omaly, teny Am­banidia, tao amin’ny boribo­rintany faharoa ny hetsika, « Lecture en rire”. Hetsika ka­rakarain’ny fikambanana Be Tige sy ny Gasy Stand-Uppers, miaraka amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny DACVC. Vaky boky nolaroina hatsikana niarahana tamin’ny mpanao hatsikana ao amin’ny Be Tige sy Gasy Stand Uppers ny he­tsika raha tsiahivina. Miray vina ireto mpikarakara ireto amin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina. Eo ihany koa ny fanabeazana sy fampianarana ao anatin’ny fialamboly sy kilalao.
Anjaran’ny teny amin’ny boriborintany faharoa indray ny nandray ny « Lecture en rire », taorian’ny nandraisan’ny boriborintany voalohany, iray volana lasa izay. Nampia­vaka ny hetsika, omaly, ny
fandraisan’anjaran’ny Gasy Stand Uppers, raha ny mpikambana teo anivon’ny Be Tige fotsiny no nandray anjara teo aloha. Vaky boky nolaroina “Sketch” sy “Stand Up”, nia­raka tamin’ny lalao sy fanen­tanana maro no nameno ny fotoana niarahana. Nisokatra ho an’ny rehetra ihany koa ny sehatra, ary maro ny maniry hiditra sy vao misandratra eo amin’ny fanaovana hatsikana no nandray anjara.
Hitohy eny amin’ny boriborintany fahatelo, eto Antana­na­rivo, ny hetsika amin’ny volana manaraka, vina ny hanatsarana hatrany ny he­tsika mba hanatrarana ny tanjona napetraka.

Lin M.

Partager sur: