Naiditra am-ponja : mpifankatia tratra nitsindrona « Cristal »

Natolotra ny fampanoavana omaly, naiditra am-ponja vonjimaika ireo mpifankatia (lehilahy 19 taona sy vehivavy 42 taona) tratra nitsindrona zava-mahadomelina mahery vaika « cristal Métamphétamine ». Nosamborin’ny polisin’ny Stup teny Soavimbahoaka, afakomaly, ireto mpifankatia ireto noho ny fidorohana sy fitsindronana zava-mahadomelina. Naharay fitarainana momba ny fisian’izy roa midoroka zava-mahadomelina ny polisin’ny Stup. Nidina teny an-toerana ny polisy nanamarina izany sady nametraka ny vela-pandrika rehetra. Tratra teo am-pitsindronana tokoa izy roa. Mbola nahatrarana fitaovana fampiasa rehefa mitsindrona izy ireo niaraka tamin’ny vovoka cristal 0.25 grama. Nentina nanaovana fanadihadiana izy roa. Nandritra ny famotorana no nahafantarana fa efa fanaon’ireo mpifankatia ireo ny mandray zava-mahadomelina toy izao. Efa misy mpamatsy izy saingy mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny polisy amin’izao fotoana izao.

Jean Claude

Partager sur: