Lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana ny dahalo roa lahy anisan’ireo nanafika mpitrandraka volamena tao Ambatomaranitra, amoron’ny reniranon’i Matsamena, distrikan’i Maevatanana, afakomaly. Nandroba ireo mpitrandraka tao amin’io toerana io ny dahalo telo lahy nirongo basy. Trano maromaro lasibatra tamin’izany. Lahy antitra iray, nodarohan’ireo tsy mataho-tody. Nanapoapoaka basy ireto farany. Raiki-tahotra ny mpitrandraka. Lasa ny vovo-bolamena 10 grama niampy vola telo hetsy ary famokarana herinaratra amin’ny alalan’ ny masoandro. Nodoran’ireo dahalo avokoa ny trano miisa dimy. Nandositra izy ireo taorian’izay. Ankilany, nanara-dia ireo mpandroba ny fokonolona. Nanampy azy ireo taorian’ny fahazoam-baovao ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Maria. Raikitra ny fifandonana tao amin’ny kizo Mahialambo tamin’ny 9 ora alina. Voatifitry ny dahalo ny iray tamin’ny fokonolona. Namaly ny zandary. Vokany, maty tsy tra-drano ny roa tamin’ireo olon-dratsy. Nanao tongotra an-katoka ny iray. Latsaka teny amin’izy ireo ny entana halatra ka naverina tamin’ny tompony. Mitohy ny fikarohana ilay namany tafaporitsaka.
Ankoatr’io, dahalo mpangalatra omby maty voatifitra, tao amin’ny kaominina Mahavelona, distrikan’Ankazobe, afakomaly. Latsaka teny aminy ny basy vita gasy iray niampy bala 12. Olona 9 nosamborina atao famotorana noho ny firaisana tsikombakomba amin’io dahalo lavo io.
Tsiferana R.