Rugby: hanafika atsy La Réunion ny Makis, lehilahy

Nahazo fanasana avy amin’ny ligin’i La Réunion ny Makis de Madagascar «sénior», lehilahy, ka hiatrika lalao hifandonana amin’ny ekipa voafantin-dry zareo, ho an’ny rugby lalaovina olona 15. Hotanterahina ny 15 septambra ho avy izao, izany. Tohin’ilay fihaonana natao ny volana jona, teto Madagasikara, izy io. Tsy zakan-dry zareo mantsy ilay faharesena nahazo azy ireo, ka mangataka lalao miverina.
Ho fanomanana izany, tonga manome fiofanana ho an’ireo mpilalao ireo, eny amin’ny kianja Malacam Antanimena, ny mpilatsaka an-tsitrapo telo mirahalahy avy any Japon. Manam-pahaizana manokana amin’ny «touche» sy ny «mêlée», izy ireo. Hita mantsy fa lesoka ho an’ny ekipan’ny Makis, izany. Efa nanomboka tamin’ny alatsinainy lasa teo, ny fiarahana tamin’izy ireo. Misitraka izany koa ny mpilalaon’ny Makis, lahy sy vavy, ho an’ny rugby lalaovina olona 7, hiatrika ny lalaon’ny Nosy. Haharitra 1 volana ny fiarahana amin’ireo mpilatsaka an-tsitrapo japone, ireo.

Tompondaka

Partager sur: