SOMBIM-BAOVAO

Kitra D2 Nasionaly. Nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny FC Rouge Analamanga sy ny FCT Analavory Itasy. Lalao notanterahina omaly, tany Ambatondrazaka, izay tafiditra amin’ny andro fahatelon’ny fifanintsa­nana ity natao ity. Marihina fa tsy mbola nahazo fandresena mihitsy ny FC Rouge hatramin’izao.

Nilaza Rakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby, omaly, fa tsy tokony ho avoaka ho hitan’ny olona rehetra ny taratasy nalefa ho an’ny filohan’ny COJI iny. Araka ny filazany, misy tokoa ny fivoriana sy ny fanapahan-kevitra noraisina saingy tsy nitady korontana izy ireo, amin’izao fotoana izao, efa voa­vaha avokoa ny olana rehetra.

Lalaon’ny Nosy, JIOI 2023. Hotanterahina ny zoma ho avy izao ny fifamindrana ny afo olympika eo amin’ i Madagasikara sy i Maurice. Marihina fa ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora, Haja Andre Resampa, sy ny Komity olympika malagasy no hoany an-toerana amin’io fotoana io, ary ny sabotsy ho avy izao izy ireo no hiverina eto an-tanindrazana.

“IHF Trophy Continental”. Nomontsanin’i Nigeria tamin’ny isa 54 no ho 18 i Madagasikara, omaly, nandritra ny andro faharoan’ny fifaninanana ho an’ny sokajy “Cadette”. Tsy mbola nahazo fandresana, araka izany, ny Akio “cadette” hatramin’izao. Ary mbola hita lesoka ho an’izy ireo ny resaka tanjaka.

Partager sur: