TARATRY ny KANTO

Kabary sy kilalao malagasy. Nitohy omaly, ary tanterahina isaky ny alarobia, hatramin’ny 13 septambra 2023, ny fampianarana kabary sy kilalao mala­gasy, maimaimpoana, tanterahina manerana ny boriborintany enina eto Antananarivo. Ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny alalan’ny DACVC, miaraka amin’ny fikambanana Manda Mpikabary no mikarakara ny hetsika.

“Stand Up Comedy”. Tanterahina anio, eny amin’ ny The Macass Ambatomena, ny fampisehoana “Stand Up Comedy”, iarahana amin’i Sombiniaina. Ny Stand Up, karazana hatsikana vaovao indray, araka izany, no ho hita eny an-toerana manomboka amin’ny 8 ora alina.

“Antsika hisôma Vakansy”. Miditra amin’ny herinandro faharoa ny “Antsika misôma Vakansy”. Hetsika fampianarana sy fanabeazana ary fialamboly hanasana ny rehetra. Hosodoko, asa tanana, kilalaon-tsaina maro samy hafa no atao mandritra ny hetsika. Ny IKM Antsahavola, miaraka amin’ny mpahay kanto isan-karazany no miara-misalahy amin’ny fanatontosana ny hetsika.

Alt’Istik. Kilalaon-tsaina hampahafantarina sy hampianarina eny amin’ny AFT Andavamamba, man­dritra ny “Salon des Jeux de société”, novokarin’ny Alt’Istik. Anisan’izany ny Mada Memory, Jeux de
7 familles… Maro ny kilalaon-tsaina efa noforonin’izy ireo ary ireto ampahafantarina eny amin’ny AFT Andavamamba ireto ny vaovao.

Partager sur: