Mbola maro ny olona mararin’ny tazomoka any amin’ny distrikan’i Vanganindrano. Hampihatra paikady mifanaraka amin’ny zava-misy any an-toerana ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka amin’ny ady amin’ny tazomoka. Anisan’izany ny hahafahan’ny mpanentana ara-pahasalamana mitily sy
mitsabo ny tazomoka ho an’ny olona rehetra.
Nomena fiofanana, araka izany, ireo mpanentana ara-pahasalamana miisa 320 any an-toerana. Indroa miantaona ny fiofanana natao ary nifarana anio izany.
Tanjona ny fanitarana ny fandraisana an-tanana ny tazomoka eny anivon’ny fiarahamonina ho an’ny olona rehetra. Eo koa ny fanomezana fanafody miaro amin’ny tazomoka ho an’ny vehivavy bevohoka eny anivon’ny fiarahamonina ao amin’ny distrikan’i Vangaindrano.
Tanjona ny hahazoan’ny vahoaka misitraka ny fitsaboana ara-kalitao momba ny tazomoka, amin’ny toerana rehetra.
Afaka mandray an-tanana avy hatrany ireo olona mararin’ ny tazomoka, araka izany, ireo mpanentana ara-pahasalamana any an-toerana rehefa voaporofo ny aretina.
Tatiana A