Anosipatrana : jiolahy telo lahy rotiky ny bala

Nataon’ny polisy hazalambo, maty voatifitra ny jiolahy telo lahy teny Anosipatrana, omaly. Malaza ratsy amin’ny fanafihana eto an-drenivohitra sady mampihorohoro ireto olon-dratsy ireto. Efa nikononkonona hanao fanafihana mpamongady iray teny amin’ny manodidina io fokontany io izy ireo. Naharay angom-baovao avy amin’ny tsara sitrapo, nidina ifotony ny polisy. Ni­fanehatra tamin’ireo jiolahy avy hatrany anefa izy ireo. Raikitra ny fifandonana rehefa nanapoaka basy ireo mpandroba. Tsy nanaiky hitolo-batana ireto farany ka nitifitra ny mpitandro filaminana. Vo­kany, maty tsy tra-drano ireo telo lahy. Tratra teny amin’izy ireo ny basy poleta iray saika hampiasainy nandritra ny fa­nafihana. Marihina, miseholany tato ho ato ny fanafihana mpamongady sy “Cash point” teto an-drenivohitra. Anisan’ ireo mpandray anjara tamin’izany izy telo lavo ireto. Mitohy ny fikarohan’ny mpitandro filaminana ireo jiolahy mpampihorohoro eto amin’ny Reni­vohitra.

Tsiferana R.

Partager sur: