Asa vadidrano

 

Efa miloko fety sy fifidianana eto an-tanàna, manginy fotsiny ny vakansy. Samy manao izay mahafalifaly ny sainy sy ny fony ny rehetra. Ny lalaon’ny Nosy efa manakaiky. Tsy tonga lafatra ny fanomanana saingy fanamby ny hahavita izany araka ny niheverana azy. Mirongatra ny fanankianana sy ny tsikera, manodidina ny fikarakarana. Misy ny mpanao volo manoha randrana, miandry izay ho fahafaham-barakan’ny mpitondra. Misy kosa anefa ireo mpamelona lakolosy, iray mpanongotsongo ny maty satria matahotra ny handevim-belona. Saropiaro amin’ny maha Malagasy azy, tsy te hanan-dratsy ka mamosaka izay tokony ho harenina.
Efa vita ireny ny antsapaka, ho tonga rahampitso ao Antsiranana ny afo olympika avy any Maorisy. Midika izany fa tsy afaka miverin-dalana intsony isika. Mbola manana andro maromaro kosa anefa hanitsiana sy hanatsarana. Niarahana nahita fa hazakazaka narahin-tosika ny zava-drehetra teto an-toerana. Niditra an-tsehatra hatramin’ny filohan’ny Repoblika aza namorona ny sary famantarana. Asa vadidrano, tsy vita raha tsy hifanakonana izy ity. Voninahi-pirenena no tandrovina.
Hamafisina etoana ny antso avo ho amin’ny firaisankina sy ny firaisan-tsaina amin’ny vahoaka malagasy tsivakivolo. Taon-trano tsy efan’ny irery ny famitana ity fanamby goavana iray ity. Samy manana adidy, hitondra ny anjara birikiny ny olom-pirenena tsirairay na vondrona isan-tsokajiny, amin’ny sehatra samihafa. Betsaka rahateo ny ezaka tsy maintsy vitaina anatin’ny fotoana fohy mba tsy hitafiana henatra. Zava-dehibe na ny fahaizana mankasitraka sy manohana ny ezaka vita hatramin’izao, ary ny fitondrana ny tsikera ho fanatsaran-javatra.

r.r

Partager sur: