Lanonambe ny any Sambava. Mandray ny andiany faharoa amin’ny “Waka Waka Festival” ity distrika ity ankehitriny.
Raikitra! “Carnaval” lehibe namakivaky ny tanànan’i Sambava no nentina nanamarihana ny fanombohan’ny “Waka Waka Festival”, andiany faharoa, tontosaina eto Madagasikara. Loko maro sy marevaka, soradihy mirindra, fanovan’endrika isan-karazany sy izay rehetra fanao amina “carnaval” manamarika “festival” maneran-tany, hita tany avokoa. Vao ny fanombohana dia tsapa ny fivoaran’ny hetsika, raha oharina tamin’ny andiany voalohany. Nihamaro ny mpandray anjara, ary manomboka mahatsapa ny maha zava-dehibe ny hetsika ny mponina, indrindra fa be mpitsidika, teratany Malagasy sy avy any ivelany, any Sambava amin’izao fotoana izao.
“Hataontsika tanjona ny hihoatra amin’ny “Waka Waka Festival” any ivelany. Antsika eto Sambava izy ity, fa an’i Madagasikara manontolo koa”, hoy ny nambaran’ny ben’ny Tanàna. “Fanomezana sehatra ireo mpanakanto, mba hisongadina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny “Waka Waka Festival”, hoy kosa ny nambaran’ny tomponandraikitra voalohan’ny Shelby Production, izay mpikarakara ity hetsika maneran-tany ity.
Nanafana ny sehatra goavana tao amin’ny Kianjaben’i Sambava, omaly, ry Ngiah Tax, Shayna, Dr Love ary Lous-Fah. Hifandimby, anio alina kosa, ireo vahiny toa an-dry TNT sy ry Rilley Bob avy any Côte d’Ivoire, ry Basta Lion sy i Big MJ. Rahampitso sabotsy kosa no hiaka-tsehatra i Mikidache, mpanakanto avy atsy amin’ny Nosy Comores, hilahatra amin-dry Black Nadia, Rim’Ka ary Wizking. Hamarana ny andiam-pampisehoana ny alahady ry Sisca, Ceasar, RJ ary ilay vahiny mpanakanto, Jean Jaques B.
Zo ny Aina