Fanarenan-dalana : miisa 43 ny zotra hamboarina eto Antananarivo

Nanomboka tamin’ny fiandohan’ny volana aogositra ny asa fanarenana ny lalana eto Antananarivo Renivohitra. Maharitra 6 herinandro ny fe-potoana hanarenan’ny orinasa ny zotran-dalana iray.

Mandeha ny asa ! Manampy ny kaominina CUA sy ny faritra Analamanga amin’ny fanarenana ny lalana potika eto an-drenivohitra, ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP). Nilaza ny talen’ny fotodrafitrasa ao amin’ny MTP, Razafindrianarivo Henri Jacob, omaly, fa miisa 43 ny lalana hatao. Araka ny tinapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra, tanterahana amin’ny alalan’ny asa vonjitaitra ny asa.
Mahatratra fito ny orinasa misahana ny lalana miisa 16 amin’ireo 43 ireo. Miantoka lalana iray hatramin’ny efatra ny orinasa iray, arakaraka ny tsenam-barotra azony. Ma­haritra enina herinandro ny fe-potoana hanaovana ny lalana iray.

Nanomboka ny volana febroary
Efa nisy kosa ny lalana efa vita tamin’ny volana febroary teo, toy ny eny Ankadievo-Ankadimbahoaka. Misy asa fanampiny hatao eny Andra­nomanalina mankany amin’ny Jovena 67 ha, ny eny Am­bodinisotry mankeny amin’ny BMH sy Ambodinisotry mankeny amin’ny Jovena 67 ha. Nomarihin’ny talen’ny fotodrafitrasa koa fa efa nisy ny asa natomboky ny CUA. Vina­vinaina amin’ny faran’ity herinandro ity ny hanombohana ny 27 sisa ambiny. Efa eo am-pikarakarana ny pitsopitsony amin’ny antontan-taratasy.
Orinasa vaventy toy ny Colas no misahana ny fanamboarana ny lalana tena potika, mila tetibola ambonimbony, toy ny eny amin’ny Cenam, 67 ha, Ankasina, Seimad, Ampasika, sns.
Nosinganin’ny talen’ny fotodrafitrasa koa fa «navahana tamin’ireo lalana miisa 43 ireo ny eny amin’ny Fasan’ny karana. Hanomboka mialoha ny faran’ity volana aogositra ity ny asa».
Ankoatra ireo, efa mandeha koa ny fanarenana ny lalam-pirenena, toy ny RN 2 mankany Toamasina, ny RN 4 mankany Mahajanga, ny RN 7 (Antsirabe…), ny RN 6 (Am­banja…, Antsiranana), sns.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: