Fandaharanasa Educmad : mikirakira tahirin-kevitra niomerika 5 000

Hampiakarana ny lanjan’ny taranja siantifika no nametrahana ny fandaharanasa Educmad teto Madagasikara ary nahazo vokatra tsara ireo sekoly nampihatra izany.

Nanomboka ny taona 2004 ny fandaharanasa Educmad, manohana ny fampianarana ny taranja siantifika amin’ny fikirakirana tahirin-kevitra pedagojika niomerika izay miaraka amin’ny Acces Mad sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.
5 000 ny tahirin-kevitra ampiasain’ny mpampianatra hanomezana lanja indray ny taranja siantifika, Matematika, Fi­zika ary ny Science de la vie et de la terre, any an-dakilasy. «Manao fifanarahana ny sekoly mahafeno ny fepetra miaraka amin’ny Acces Mad ary samy manatanteraka ny an­draikiny ny tsirairay», hoy ny fanazavan’ny mpiandraikitra ny fandaharanasa Educmad, Roditis Carine. Mahazo fampitaovana ny sekoly ary omena fiofanana ny mpampianatra hampiasa azy. Misy koa ny tombana hanarenana ny le­soka.
Tombony amin’ny fampiasana ny tahirin-kevitra pedagojika niomerika ny endrika itondrana ny fampianarana ny taranja telo voalaza amin’ny ankapobeny. Mahasarika ny mpianatra kokoa ny mikirakira ordinatera miaraka amin’ny video hanazavana ny lesona sy ny fizarana rehetra. 80 000 ireo mpianatra amin’ny lycée sy kolejy nahazo tombontsoa mivantana amin’ny fandaharanasa ka mpianatra avy amin’ny sekoly 113 manerana ny faritra 14 izany.
Nivory teny Ambolokan­drina, omaly, ireo talen-tsekoly eto Antananarivo tafiditra amin’ny fandaharanasa nizara ny zava-bita tao anatin’ny fandaharanasa Educmad faharoa sy hijery ny paikady hitondrana ny fandaharanasa fahatelo. Tanjona amin’ny andiany fahatelo ny hampaharitra ny zavatra rehetra napetraka amin’ny fitaovana sy ny tahirin-kevitra hampaleo tena ny sekoly tsirairay rehefa ho tapitra ny fandaharanasa.

Vonjy A.

Partager sur: