Filoha Rajoelina: « Tsy maintsy voalohany isika amin’ny lalaon’ny Nosy »

Notokanana omaly, teny By pass, ny asa fanitarana nataon’ny filoha tale jeneralin’ny Elgeco Plus, Andriamanampisoa Alfred. Tonga nanokatra ny lanonana tamin’izany ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry Nirina.

“Tanjona ho antsika ny hoe tsy maintsy voalohany i Madagasika­ra, amin’ity lalaon’ny Nosy, JIOI 2023, ity.” hoy ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry Nirina, omaly, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus Stadium, By pass. Notokanan’ ny filoha tamin’io fotoana io ihany koa ny asa fanitarana ny kianja teny an-toerana. No­marihin’ity lehiben’ny andrim-panjakana eto Madagasikara ity fa zava-dehibe ny fotodrafitrasa toy izao ary kianja anisan’ny handraisana ny lalaon’ny Nosy, ny kianja Elgeco.
Marihina fa ity kianja ity, nasiana fanitarana izay natao nanaraka ny fenitra takin’ny CAF sy ny Fifa, toy ny efitrano fisoloana akanjo, fijerevana horonantsary, trano fandraisam-bahiny. Nampitomboina ho 4 750 mahery ny toerana hipetrahana, raha toa ka 2 000 mahery izany teo aloha. Nanolotra ny teny fisaorana sy fankasitrahana ny filoha Rajoelina Andry, ny lehiben’ny Elgeco Plus, Andriamanam­pisoa Alfred.
“Mbola ao anatin’ny asa fanitarana ihany isika hatramin’izao, ary miezaka ny hampandroso ny baolina kitra ma­lagasy”. Nambaran’Andriama­nam­pisoa Alfred, filoha tale jeneralin’ny Elgeco Plus, filoha lefitrin’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra eto amintsika.

Nisaraka ady sahala 1 no ho 1, Antananarivo sy Toamasina

Saika tsara fanombohana ny ekipan’Antananarivo, saingy avotra tany amin’ny ora farany ny mpilalaon’i Toa­masina. Araka izany, nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny roa tonta, nandritra ny andro voalohan’ny fifaninanana “Coupe du Président”. Niady tanteraka ny lalao, i Armando, mpila­laon’Antananarivo, nanokatra ny isa voalohany, tany amin’ny minitra faha-57. Nosa­ha­lain’i Angelo, vodilaharan’i Toa­­masina ny isa, rehefa na­hatafiditra “coup-franc” ny te­nany, roa segaondra tsy hifaranan’ny lalao (90+4).

Fitia

Partager sur: