Namoy ny ainy vokatry ny tsatok’antsy ny lehilahy iray tao Analabe, fokontany Ambatolahy, kaominina Ambohinamboarina, distrika Ambohimahasoa, ny alin’ny talata hifoha alarobia 9 aogistra teo. Namonjy lanonana fitokanana trano ny lehilahy iray sy ny namany. Nifanena tamin’izy ireo tao an-toerana ny lehilahy iray hafa, noahiahian’izy ireo ho sakaizan’ny olon-tiany.
Raikitra ny tsy fifankazahoana. Niafara tamin’ny ady izany. Tratra ny benohovitsy anefa ity nampangaina ho rafilahy. Raikitra ny daroka. Nandray antsy tamin’izany ny mpifanandrina taminy, izay nampian’ny namany. Vokany, voatsatok’antsy teo ambany helikany ilay lehilahy. Nentin’ireo nanatri-maso namonjy hopitaly ity farany. Very ra be, tsy tana ny ain’io voatsindron’ antsy io. Nidina nanao famotorana ny zandary. Olona efatra nandray anjara tamin’ny vono olona no efa eo ampelatanan’ny mpitandro filaminana ao an-toerana, araka ny fampitam-baovao.
Tsiferana R.