Efa niroso tamin’ny fitokonana ny mpampianatra mpikaroka Seces sampana Fianarantsoa nanomboka ny alatsinainy teo. Nanao fitokonana teny amin’ny Esplanade Ankatso kosa ireo mpikambana avy ao amin’ny Seces sampana Antananarivo nanomboka omaly, satria tsy nisy valiny ny fitakiana samihafa natao.
Honeran’ny fanjakana ny saran-dalan’ireo mpianatra 21 mendrika ka lasa any ivelany nanohy fianarana tamin’ny andiany “Sangany 2021”, araka ny fampanantenana nataon’ny filohan’ny Repoblika. Ao anatin’ny tetibolan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony no angalana ny sora-bola ilaina amin’izany.
Nilaza ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo fa ho tapaka ho an’ny fifamoivoizan’ny fiara rehetra ny lalana “26 jona 1960”, manomboka eo amin’ny Cinema Ritz hatreo amin’ny Hotel Le Glacier, ny sabotsy izao manomboka amin’ny 11 ora alina hatramin’ny alahady. Noho ny hetsika “Jazz @ Tohatohabato” no anton’izany.
Hisy ny hazakazaka am-bisikileta hatao ny alahady izao, hiainga eny amin’ny Bazar Auto Soavimasoandro mihazo an’i Tsarasaotra, Ivato, Talatamaty, miverina Ivato sy Tsarasaotra ary mamonjy ny La City Ankorondrano, Antanimena, Analakely, Ambohijatovo, Ambanidia ambony ary mifarana eny Imerinkasinina.