Jazz@Tohatohabato: santarin’ny « Jazz Quartier » ny seho ankalamanjana

Hianga eo Analakely, tsy hifarana raha tsy any Sabotsy Namehana ny dia ! Araka izay azo atao, hanatanteraka seho isaky ny toerana malalaka ireo mpilalao jazz hanatanteraka ny «Jazz Quartier» androany. Anisan’ny tanjona amin’ity seho mitety faritra eto an-drenivohitra sy ny manodidina ity ny hampahafantatra ny jazz. Malaza ho mahay milalao jazz ny Malagasy ka rariny raha mifandanja amin’izany ihany koa ny fahafantarany ity zavakanto iray ity. «Ampanatonina ny olona ny jazz mba hitovy lenta ny fandraisana sy ny fahalalan’ny tsirairay azy», hoy ny mpikarakara avy eo anivon’ny Cercle Germano-Malagasy. Fiarakodia lehibe no hitondra ireto mpilalao jazz ireto ka eny ambonin’izany no hanatanterahin-dry zareo ny seho. Hifandray akaiky sy mivantana ary hanolotra seho lehibe ho an’ny rehetra izy ireo rehefa eny Sabotsy Namehana.
Aorian’io, hiompana amina fampisehoana ankalamanjana ny fandaharam-potoana. Ra­hampitso, «Jazz Street». Ny alahady, «Grande scène», izay samy hotanterahina eo amin’ny tohatohabaton’Anta­ninarenina.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: