JIRAMA : mitohy tsy tapaka ny famatsiana solika

Notsindrin’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Andriamanampisoa Solo, omaly, fa mitohy ny famatsiana solika ny Jirama, hampandehanana ireo milina mamokatra herinaratra. Misy tokoa ny fifanarahana eo amin’ny Jirama sy ny mpitatitra solika, toy ny raharaham-barotra rehetra. Nomarihiny kosa fa «taratasy tokony ho nalefan’ny fikambanan’ny mpitatitra solika (APTH) tany amiko, amin’ny maha minisitra ahy iny taratasy iny, nefa niparitaka tanaty tambajotra sosialy, mialoha ny fotoana nandraisako azy, satria tsy teto Antananarivo aho. Nilaza ny APTH fa tsy zareo no nanaparitaka azy, sady tsy fantatra ny nanao izany». Ho an’ny minisitry ny MEH, tsy mitombina ny sora-bola 13 miliara Ar, satria tsy mitovy ny tarehimarika noho ny antony maromaro. Mitohy tsy tapaka ny fitateran’ny APTH solika ho an’ny Jirama, ny menaka mavesatra sy ny gazoala.
Ankoatra izany, nohamafisiny fa tsy tokony hisy intsony ny delestazy ara-toekarena, toy ny teo aloha. «Tsy maintsy misy kosa ny fanapahana herinaratra, noho ny antony ara-teknika, toy ny misy amin’izao fotoana izao», hoy ihany izy.

Njaka A.

Partager sur: