Taorian’ny fanokanana ny asa fanitarana ny kianja Elgeco Plus sy ny “Coupe du Président”, nisy ny fihaonana ara-pirahalahiana nataon’ny Barea de Madagascara sy ny Elgeco Plus. Lavon’ny ekipam-pirenena malagasy tamin’ny isa mavesatra 3 no ho 0 ny solontenan’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika. Lalao notanterahina omaly, teny By- pass.
Nanindry tanteraka ny Barea nandritra ny 90 minitra. Teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, nahatafiditra baolina i Rado, vodilaharan’ny Barea, vao roa minitra nilalaovana. Teo amin’ny fidirana faharoa, tsy nitsahatra nampiseho ny fahaizany mitazona ny baolina sy mampiseho ny maha izy azy ny ekipa tarihin-dRakotondrabe Romuald Felix, mpanazatra Barea. Nampian’i Tony sy i Berajo ny isa. Niafara tamin’ny isa 3 no ho 0 ny lalao. Nandresy ny Barea de Madagascar.
Natao hanomanana ireo lalao goavana hatrehan’ny roa tonta ny lalao. Ny Barea izay hiatrika ny lalaon’ny Nosy, hatao eto an-toerana, ny 25 aogositra hatramin’ny 3 septambra ho avy izao. Ny Elgeco plus kosa hilalao amin’ny “Coupe de la CAF (CCAF)” .
Raha tsy misy ny fiovana, hanampy ny Elgeco Plus amin’ny fihaonan’izy ireo sy ny Gaborone United Botswana i Tendry sy Feno, lohalaharana Barea de Madagascar. Tsiahivina fa hatao ny 19 aogositra, any Botswana, ny lalao mandroson’ny roa tonta.
Fitia