Polisy nasamborina: mamo sady nandrahona anty vehivavy zandary

Nentin’ny toaka! Niditra an-keriny tany an-dakazerin’ny zandarimariam-pirenena ilay polisy. Norahonany tamin’ny antsy ny vehivavy zandary sendra azy. Efa voasambotra izy.

Nanao amboletra niditra tao anatin’ny tobin’ny zandarimaria, ao Tsi­naoke, Toliara, ny mpitandro filaminana iray miasa eo anivon’ny kaomisaria Centrale ny polisy ao Toliara. Nentin’ny ha­mamoana ilay polisy, nanao fanamiana sivily ka nihazo ny trano fakan’ny vehivavy zandary aina izy. Afakomaly no nisehoan’izany. Nitondra antsy izy. Nampihorohoro ny olona rehetra tao anatin’io efitranon’ny CSAO io.
Hatairana ny an’ireo vehivavy zandary. Tsy nisy namely, niezaka nandroaka ilay polisy mamo. Nahare ny zava-nisy, tonga ny solontenan’ ny zandary hisambotra azy. Tsy hita tao amin’ny tobin’ny zandarimaria intsony anefa ilay polisy, rehefa tonga ny tomponandraikitra. Nifampitadiava­na saingy tsy hita popoka nandritra ny tapakandro hariva izy.
Niara-niasa nikaroka azy taorian’izay ny zandary ao Tsianaloke sy ny polisy ao amin’ny kaomisaria Centrale ao Toliara. Voasambotry ny mpitandro filaminana namany tao amin’ny fokontany Ankiam­­be ambony izy, tamin’ny 7 ora hariva. Nikasa hialokaloka tao amin’ny trano iray anatin’io fokontany io izy.
Nohazonina ao amin’ny kaomisaria Centrale, atao famotorana ity polisy nampiteraka savorovoro tao amin’ny tobin’ny zandary iray ity.

Tsiferana R.

Partager sur: