Mbola mitohy ny asa fanatsarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tonga tany an-toerana ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola niaraka tamin’ny minisitry ny Fitaterana sy famantarana ny toetr’andro, ny talata teo. Nanotrona ity fitsidihana ity ny solontenan’ny fadintseranana, ny mpitandro filaminana, ny avy ao amin’ny “Société du port à gestion autonome de Toamasina” (SPAT) ary ny mpandraharaha mpanondrana sy mpandray entana avy any ivelany. Teboka noresahana ny fidirana amin’ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra. Atao izany handaminana ny asa rehetra ary hisorohana ny gaboraraka. Misy ny “scanner” roa lehibe atokana ho an’ireo entana miditra eto Madagasikara. Hisy ihany koa ny natokana ho an’ny entana haondrana. Nojerena ny fomba hanatsarana ny lalana miditra sy mivoaka ao amin’ity seranan-tsambo lehibe ity. Eo koa ny fandaminana amin’ny fisavana ireo fiarabe mpitatitra entana. “Ilaina ny fiaraha-miasa sy fifanomezan-tanana eo amin’ny rehetra mba ho tombontsoa ambonin’ny firenena”, hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, nandritra ny lahateniny.
Fampandrosoana
Tosika ho an’ny toekaren’ny firenena ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tanjona ny hananana seranan-tsambo lehibe sy matanjaka hahafahana mampiroborobo ny fizahantany. Eo ihany koa ny fanatsarana ny tolotra fampidirana sy fanondranan’entana mankany ivelany.
Henintsoa Hani