Vanim-potoana fialantsasatra: mitombo ireo liana amin’ny haikanto sy kolontsaina

Niakatra, raha oharina amin’ny mandavan-taona, indrindra tato anatin’ny 2 taona farany, ny isan’ny ankizy sy tanora liana amin’ny haikanto sy kolontsaina samihafa, ao anatin’ izao fialantsasatra izao, araka ny voalazan’ny tomponandraikitra isaky ny ivontoerana.

Nitombo isa ny mpikambana na mpianatra eny anivon’ny ivontoerana kolontsaina sy fianaranana zavamaneno sy dihy anatin’izao fialantsasatra izao, raha ny eto Antananarivo manokana. Ankoatran’ny fialana sasatra any amorondranomasina, anisan’ny maro mpankafy ihany koa ny fianarana zavamaneno sy dihy ary haikanto maro samihafa. Misy ihany koa ny liana amin’ny fandalinana ny kolontsaina sy kilalao malagasy. Maro ny antony mahatonga izany, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra sy ny ray aman-dreny nanontaniana.
Niakatra manodidina ny 30% teo ny isan’ny mpianatra na mpikambana niditra tamin’ny ivontoeram-pampianarana zavamaneno sy dihy ary kolontsaina. « Manampy amin’ny fianarana ny mozika sahala amin’izao.» hoy i Landy, renim-pianakaviana, mitondra ny zanany mianatra mozika. Araka ny nambaran’ity renim-pianakaviana ity, tsy mandany vola kokoa, nefa fahaizana mitoetra ho an’ny ankizy ny fianarana mozika noho ny fandehanana miala sasatra any amorondranomasina.
Anisan’ny mitombo isa koa ny ankizy sy tanora miditra ho mpikambana amin’ireny ivontoeran’ny kolontsaina ireny. Fianarana manao sary sy hosodoko, teatra sy kabary, fandalinana sy fianarana ary fampahafantarana ny kilalao malagasy, sahala amin’ny katro sy fanorona no mahasarika azy ireo ka nampiakatra ny isan’ny mpikambana. Nambaran’ny manam-pahaizana manokana momba ny fitaizana ankizy sy tanora, fa ankoatran’ny fanatanjahantena, tena ilain’ny mpianatra ny fanaovana hetsika hafa ankoatran’ny fianarana ho fikolokoloana ny sainy,
Misy ny ezaka ataon’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ao anatin’izany : ny fampiroboroboana sy fampandrosoana ny kolontsaina, ary ny haikanto ho an’ny ivontoeran’ny kolontsaina. Misy koa ny fiezahana manabe sy mitaiza ny ankizy mba tsy hironany any amin’ny zava-mahadomelina, izay ataon’ny fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny ivontoerana sy fikambanana samihafa.

Lin M.

Partager sur: