Haverina ny fampiasana ny fitaovana fandanjana ny fiara vaventy eny amin’ny lalam-pirenena eto Madagasikara. Hokitihina ny tetibola anatiny ao amin’ny minisiteran’ny Fitaterana (MTM) sy ny ao amin’ny Asa vaventy (MTP) entina hanatanterahana ireo. Anisan’ny ahitana fandanjana ny eny Ambohimalaza (RN 2), Maevatanana (RN 4), sns.
Nankatoavina ny drafi-panajariana ny jono (PAP), ho an’ny faritra Boeny, ho fampiroboroboana sy hitantanana maharitra ity sehatra ity. Zava-dehibe ary manan-danja ho an’ny fampandrosoana ny faritra ny resaka jono. Tonga tany Mahajanga, omaly, ny solontena avy eo anivon’ny ministeran’ny Jono sy ny toekarena manga, nitondra ity tetikasa ity.
Kaoperativa miisa enina, avy ao Bongolava, no nampiranty ny fambolena ataony, ny herinandro teo, tao Morondava. Hita nandritra ny nanaovana ny fikaonandoha momba ny fiarovana sy ny filaminana, ny dipoavatra mena (baie rose), vary mainty, asa tanana. Tonga nanotrona ny hetsika ny praiminisitra sy ny mpikambana ao amin’ny governemanta.
Hanomboka amin’ny herinandro ambony ny zotra an-dalamby «train urbain». Dingan’ny andrana io hatao io. Miainga eo amin’ny gara Soarano hatrany Ambohimanambola, mirefy 16 km. Mandeha amin’ny solika ny fiarandalamby amin’izao andrana izao, fa tanjona ny hampandehanana azy amin’ny herinaratra amin’ny avrily 2024.