Ampataka Ambositra: zanakazo fihinam-boa 50 fototra voavoly

Nanao fizaran’asa momba ny tontolo iainana tany Ampa­taka Ambositra, ireo mpianatra sivy mianadahy, avy amin’ny oniversiten’ny Suptop ao amin’ny Akany Iarivosoa Anosibe. Notanterahina ny 25 hatramin’ny 31 jolay lasa teo izany. Namboly zanakazo (voasary, manga, café) 50 fototra sy nampianatra ny fanaovana zezika compost izy ireo, nandritra izany. « Tanjona ny hamerenana an’i Madagasikara ho tontolo maitso sy ho rakotr’ala », hoy ny tomponandraikitra voalohany tamin’ny fampiofanana, Rabenandrasana Fenosoa Michel, raha nanontaniana teny Anosibe afakomaly. Efa miha smiba ny tontolo iainana misy ankehitriny, ary misy fiantraikany eo amin’ny fiainan’ny olombelona izany ka antony nahatonga azy ireo hanao izany. « Miteraka tombon­tsoa maro ho an’ny tontolo iainana sy ny olombelona ny fambolena satria ny ala misintona orana sy manome rano ho an’ny tany ary ny tany mamokatra ho an’ny olombelona », hoy izy. Anisan’ny mbola misedra olana ny tantsaha, eo ny tsy fahampian’ny fitaovana amin’ny tontolon’ny fambolena.
«Manampy sy manatsara ny famokaran’ny tanimboly ary miaro ny tontolo iainana ny fambolena sy ny fampiasana ny zezika compost», hoy ny mpianatra iray eo anivon’ny sekoly, Fetraniaina Bruno Alex. Misitraka tombotsoa betsaka eo amin’ny tsirairay, indrindra ny tantsaha izany. NIlaza izy fa asa mahavelona olona maro sy manatsara ny fiasan’ny tany ny fambolena ka amporisihana ny rehetra, indrindra ny tan­tsaha hanao izany. Tsy hijanona hatreo ny fiofanana fa tsy maintsy tohizana amin’ny fanaraha-maso ny voly natao. Miara-miasa amin’ny tantsaha any an-toerana ihany koa izy ireo amin’ ny fikolokoloana sy fanaraha-maso ny voly, raha ny fanazavana.

Mino

Partager sur: