Antananarivo: hiverina ny rotsakorana amin’ny alatsinainy

« Hiverina indray ny rotsakorana amin’ny fiandohan’ny herinandro ary voakasika ny eto Antananarivo”, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Tsy marin-toe­rana ny atmosfera ka ny oram-baratra sy orana tandrifin-
drahona no hitranga ho an’ny afovoantany sy ny ilany atsinanan’ny Nosy rehetra hatrany Melaky sy Betsiboka. Anio, momba ny toetry ny andro ny tolakandro, hisy tandrifin-drahona, indrindra ny alina any Ambilobe, Analalava, Vaki­nan­karatra, Matsiatra Ambony, ny ilany andrefan’Amoron’i Mania ary ny atitanin’ny Melaky, Mi­andrivazo sy Bongolava. Hi­baliaka ny masoandro any amin’ny faritra sisa. Momba ny maripana eto Antananarivo, mahatratra 16°C ny maripana ambany indrindra ary 23°C ny ambony indrindra.

Rahampitso, hitohy ny ma­soandro mibaliaka saika ma­nerana ny Nosy ankoatra ny orana tandrifin-drahona ho an’ny ilany atsinanana. Nanam­bara ny eny Ampandrianomby fa antonony amin’ny ankapobeny ny tahan’ny fahalotoan’ ny rivotra eto Antananarivo. Manodidina ny fetran’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS) avokoa ny refy rehetra voaray. Raha tombanana ny toetry ny andro ao anatin’ny telo andro ho avy, vinavinaina hijanona ho antonony ny tahan’ny fahalotoan’ ny rivotra eto Antananarivo.

Vonjy

Partager sur: