Natao, omaly, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) sy ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika (MMRS). Tanjona ny hanatsarana ny lafiny hanondranan’i Madagasikara volamena any ivelany.
Nohatsaraina ny fifanaraha fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny harena stratejika (MMRS), sy ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Voakasik’izany ny lafiny fanondranana volamena any ivelany. Efa nisy ny fifanarahana teo amin’ny roa tonta, ny janoary 2023 teo, fa fanatsarana izany ity natao omaly ity.
Nilaza ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Herinandrainy, fa anisan’ny fanatsarana amin’ity fifanarahana vaovao ity ny fijerena amin’ny antsipiriany ny fepetra mikasika ny fanondranana volamena any ivelany. Nojerena amin’ny akaiky ny rohy amin’ity lalam-pihariana ity. Miainga any amin’ny fitrandrahana, ny fivarotana, ny mpanangom-bokatra, miafara any amin’ny mpanondrana any ivelany. Mila antontan-taratasy manaraka ny lalàna anefa ireo.
Antsipiriany maro
Nilaza koa ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, fa sambany teto Madagasikara no nisian’ity paikady hanatsarana ny fanondranana volamena ity any ivelany. Nosinganiny amin’izany ny fenitra iraisam-pirenena tsy maintsy arahina amin’ny lafiny fanondranana volamena. Miainga any amin’ny fitrandrahana, ny fanangonam-bokatra, ny fivarotana eto an-toerana, miafara any amin’ny fanondranana any ivelany.
Nanamarika ny minisitra Rakotomalala Herinandrainy fa tsy maintsy ho hentitra kokoa ny fepetra mifehy ny fanondranana volamena amin’ ity fiaraha-miasan’ny minisitera sy ny BFM ity. Anisan’ny voaresaka ao ny fiavian’ny volamena, ny toerana nitrandrahana sy ny olona mitrandraka, ny toerana na ny firenena hanondranana ny entana. Eo koa ny fanajana ny lafiny hetra, ny tamberim-bidy any ifotony. Fehiny, mila mazava ny rohim-pihariana niaingan’ ny volamena mandra-pahatonga azy any amin’ny mpanjifa vaventy sy madinika any ivelany.
Njaka Andriantefiarinesy