Mizara telovolana telo ny taom-pianarana 2023-2024 ho an’ny fampianarana teknika sy ny fiofanana momba ny asa, araka ny fampahafantarana nataon’ny minisitera mpiahy. Hosantarina ny 18 septambra ny telovolana voalohany ary hifarana ny 22 desambra ho avy izao. Misy fiatoana ny fampianarana ny 28 oktobra hatramin’ny 5 novambra anatin’ny fotoana fahatsiarovana ireo olomasina. Ny 23 desambra no hiditra amin’ny fialantsasatry ny noely ny mpianatra. Handray ny asany ny mpandraharaha eny amin’ny sekoly teknika ny 4 septambra ho avy izao ary fito andro aorian’izay ny anjaran’ny mpampiofana sy ny mpampianatra rehetra.
Manohy ny telovolana faharoa ny mpianatra, ny 8 janoary hatramin’ny 22 marsa, taona 2023. Manamarika ny andron’ ny sekoly teknika sy ny ivontoeram-panofanana momba ny asa mandritra ny hateloana, ny 28 febroary-1 marsa. Anatin’ny fialantsasatry ny paka ny mpianatra sy ny mpampiofana, ny 24 marsa hatramin’ny 7 avrily. Miditra amin’ny famaranana ny taom-pianarana ho an’ny telovolana fahatelo ny 8 avrily hatramin’ny 23 jona. Misantatra ny fialantsasatra lehibe ny 24 jona 2023 ny mpianatra.
Mila manao fianarana asa ny mpianatra amin’ny sampana teknika mandritra ny fialantsasatra hampiharana ny lesona tany an-tsekoly manomboka amin’ny taona voalohany, indrindra ireo amin’ny fampiofanana momba ny asa.
Vonjy A.