Hisokatra amin’ny firenena Israelianina ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara. Maro ireo mpandraharaha israelianina maniry hitady lalambarotra eto amintsika. Manana tany midadasika i Madagasikara raha manana fahaiza-manao sy traikefa maro azo ampiharina eo amin’ ny sehatry ny angovo, ny fampiroboroboana ny indostria, ny niomerika, ny fambolena sy ny fiompiana ary fizahantany ny israelianina. “Hisy mpandraharaha israelianana ho tonga eto Madagasikara ary andalam-pijerena ny pitsopitsony rehetra momban’ny fiaraha-miasa ny roa tonta”, hoy ny filoha lefitry ny antenimieran’ny varotra Israely-Madagasikara (CCISMA), Rakotonavahy Jaona, omaly, nandritra ny fivoriana natao tetsy amin’ny Antenimieran’ny varotra sy indostrian’ Antananarivo (CCIA). Hisy ny hetsika ara-toekarena sy ara-barotra atao any Israely, ny 30 oktobra ka hatramin’ny 8 novambra izao. Voaasa manokana i Madagasikara hampiranty ny vo-katra malagasy sy itadiavana lalam-barotra any an-toerana sy hamaly ny filàn’ny firenena Israelianina amin’ny alalan’ny tetikasa atolotry ny Nosy malagasy.
Hiantraika mivantana
Samy hahazo tombony ny firenena roa tonta amin’izao fiaraha-miasa izao noho izy hampiroborobo ny toekarena. Manodidina ny 300 000 ny israelianina maniry hitsidika sy hiala sasatra eto Madagasikara. “Azo trandrahana tsara izany ka hitombo avo roa heny ny mpizahatany ho tonga ao Nosy-Be” hoy hatrany ny filoha lefitry ny varotra. Nilaza ny filohan’ny CCIA, Rakotondrasanjy Rivo fa hahafahan’ny Malagasy mitady lalam-barotra any ivelany sahady ilay hetsika atao.
Henintsoa Hani