Finoana sy fanabeazana : hitondra aim-panahy sy fahalalana ry Ny Mino

Hira evanjelika. Tonga eto an-tanindrazana ny Groupe Ny Mino. Tsy handalo fotsiny fa hanatanteraka fihaonana amin’ny mpitia kanto sy hampitombo fahalalana ho an’ny olon-drehetra maniry ny ho any ivelany.

Ny talata 15 aogositra izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny FJKM Am­bo­dihady Ambohimanarina. Ha­natanteraka seho evanjelika lehibe ny groupe Ny Mino, ahitana an’i Benja Randrianary, Lanto, Narindra ary i Lova miaraka amin’ireo mpitendry zavamaneno : i Nirina (vatamaroafitsoka), Njato (vatamaroafitsoka), Haja (gitara beso), Tsiry (amponga maroanaka). Ho avy eny an-toerana ihany koa i Laurent Rakotomamonjy mpamoron-kiran’ny Ny Mino. Hanam-bahiny tsy ampoizina sy ireto mpanakanto ary tarika ireto ihany koa izahay amin’io seho io : Rojo ny Avo, Groupe Laurent Rakotomamonjy ary ny Ampifitia », hoy i Benja Randrianary. Hihira ireo hira nahafantarana azy sy ny sanganasa vaovao ny Groupe Ny Mino. Hisy koa ny fiarahana mihira amin’ireo mpanakanto sy tarika nasaina. « Hiompana amin’ny fampaherezana ny Malagasy amin’ny ady sarotra lalovan’i Madagasikara ny fampisehoana », hoy hatrany i Benja Randrianary.

Hanoro sy hitari-dalana

Maro ny Malagasy te hiampita ranomasina. Te honina sy hitady ravinahitra any ivelany. « Amin’io fotoana io no hanomezana azy ireo torohevitra sy torolalana momba izany », hoy hatrany i Benja Randrianary. Nohamafisiny fa « 19 taona no nipetrahana tany ivelany. Maro ny lalana nodiavina. Tao ny soa. Nisy ihany koa anefa ny lalan-tsarotra. Ireny rehetra ireny no hampahafantarina sy hanoroana lalana ho an’izay te ho any an-dafin’ny riaka ».
Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny Groupe Ny Mino amin’izao fandalovany eto an-tanindrazana izao ihany koa no fanatontosana rindrantsary (clip) roa. Fan­tatra fa: « tsy ao anatin’ny Groupe Ny Mino i Asnah. Tsy nisy akory ny olana », hoy hatrany i Benja Randrianary tomponandraikitry ny tarika.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: