Fitaterana : mpamily roa ho an’ny zotra mihoatra ny 600 km

Mitombo ny fifamoivoizana eny amin’ny lalampirenena amin’izao fialantsasatra lehibe izao. Tsy maintsy mandray fepetra ny fanjakana, hitsinjovana ny mpandeha, satria maro ny ambana, loza, mety hitranga.

Namoaka fepetra ny mi­nisiteran’ny Fitaterana ny famantarana ny toetr’ andro, mikasika ny fepetra tsy maintsy arahin’ny kaoperativa sy ny mpitatitra amin’izao fo­toana mahamaro ny mpan­deha amin’izao fialantsasatra lehibe izao.
Efa nisy hatramin’izay ny lalàna sy ny fepetra mifehy ny fifamoivoizana, fa tsy maintsy manamafy izany ny tomponandraiki-panjakana amin’ izao vanim-potoana izao. Tan­jona ny hitandroana ny ain’ny mpandeha sady hanajana ny fandaminana. Anisan’ny fepetra raisina ny fanamafisana ny fepetra sy ny lalàna efa misy, mba hisorohana ny tandrevaka mety ataon’ny mpandeha.
Namoaka toromarika ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, ny 9 aogositra teo, mikasika ireo fiara mpitatitra mankany amin’ ny faritra. Antony, manan-danja ny fitsinjovana ny ain’ny mpandeha ka nohamafisina ny aroloza. Araka izany, mpamily roa no mitondra ny fiara, amin’ny zotra mihoatra ny 600 km. Ho an’ny zotra atao mi­hoatra ny adiny 8 ora, tsy maintsy mijanona maka aina ny fiara mandritra ny 15 mn, isaky ny adiny 4 ora. Mila maka aina mandritra ny adiny 8 ora ny mpamily iray vao afaka mandray ny asany indray.

Mitohy ny kahie manifold
Misy koa ny fepetra manamafy ny fatran’ny entana. Tsy mahazo mihoatra ny 80sm ny haavon’ny entana eo ambony tafon’ny fiara. Tsy maintsy manana fitaovana fandrefe­sana ny haavon’ny entana ny toby fiantsonana rehetra.
Fepetra hitsinjovana ny amin’ny loza koa ny famantarana ny mombamomba ny mpandeha. Efa nampiharina ny fampiasana ny kahiebe « manifold », nanomboka ny krizy ara-pahasalamana Covid-19 ary tsy mbola nofoanana. Satria, ilaina ny firaiketana an-tsoratra ny mpandeha tsirairay.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: