Hiara-hiasa ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofana arak’asa sy ny fikambanana Zara Hasina. Vehivavy 6 000 no hofanina amin’ny sehatry ny fandraharahana sy ny fampivoarana ny maha olona. Tafiditra indrindra amin’ny fampiharana ny fiofanana faobe ny hetsika ary haharitra efa-bolana ny fiofanana. Hotontosaina eto Antananarivo, Antsiranana, Toliara, Fianarantsoa sy Toamasina ary Mahajanga ny fanofanana, araka ny fanazavana.
Mpiara-miombon’antoka ny Unesco sy ny “Centre d’excellence et d’entrepreneuriat-ISCAM” hampanara-penitra sy hanamafy ny kalitaon’ny fampiofanana hatolotra. Tanjona iombonan’ireo mpiantsehatra amin’ity tetikasa ity ny fampivoarana ny vehivavy sy ny fanomezana azy ireo ny fahalalana rehetra ahafahany miasa avy hatrany sy mamorona asa ho an’ny tenany koa.
Vita teny amin’ny foiben-toeran’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fiofanana arak’asa ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa momba ity fanofanana ity teo amin’ny roa tonta.
Vonjy