Kaominina Ankadikely Ilafy: tanimbary 613 ha voatondraka rano hamokarana

Nisitraka fotodrafitrasa goavana ny tantsaha eny Belanitra. Tanimbary midadasika no hisitraka rano ka ho azo volena ato ho ato. Avy amin’ny vovonana (AMM) no nahafahana nanao izany.

Anisan’ny nisitraka fotodrafitrasa ahafahana mi­tarika rano ho an’ny fambolena avy amin’ny filohan’ny vovonana Avotantsika miaraka i Madagasikara (AMM), i Masy Goulamaly, ny eny Belanitra. Mirefy 613 ha ny tanimbary ho voatondraka. Miaraka amin’ireo fikambanan’ny mpampiasa rano, notohanan’ny AMM ny fanatanterahana izany.
Etsy andaniny, anisan’ireo fototra telo iveloman’ny tan­tsaha ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono. Foto-kevitry ny vovonana izany. Manampy amin’ ny voly vary aloha, vaky ambiaty ary voly avotra izy ireo. Nohala­linina sy novelarina ny lakandrano ary hanampy betsaka amin’ny famokarana eny an-toerana.
Mangataka ny hirotsahan’ny filohan’ny vovonana Avotantsika miaraka i Madagasikara (AMM), ho filoham-pirenena ny mponin’i Belanitra, Ankadikely Ilafy.
Mangataka azy ihany koa ny any Antsirabe. “Resy lahatra amin’ny foto-kevitra voiziny izahay. Miainga avy eny ifotony ny ezaka iarahana aminy”, hoy izy ireo. Notsiahivin’ny mpanao fanambarana fa noana ny vahoaka. Ny fahaleovantena eo amin’ ny sakafo miainga amin’ny fanatsarana ny fambolena eny ambanivohitra no vahaolana.
Nanterin’izy ireo fa olana ny tsy fandriampahalemana. Anisan’ ny laharam-pahamehan’ny vovonana anefa izany. Antony maharesy lahatra ny tantsaha. Mahatonga izao fangatahana ny fila­tsahan-kofidin’ny mpanorina ny AMM izao.
Efa maro ny asa sosialy nataon’ny AMM tany amin’ny faritra. Mampiavaka azy ihany koa ny fifehezana ny fivoriana iraisam-pirenena sy ny fiarovana ny zon’ny vehivavy. Manao ny ady sisika rehetra hampisogadina ny andriambavilanitra eny amin’ny fiarahamonina.

Tatiana A

Partager sur: