Nanao tohy vakana, omaly, ny fanomezana tohana avy amin’ny minisitra mpiahy, ho an’ireo atleta sy mpanazatra hiatrika ny lalaon’ny Nosy, hanomboka afaka 2 herinandro. Anisan’ny nisitraka izany ny taranja Karate, tetsy amin’ ny Madagascar Espace, By-pass. Mizotra antsakany sy andavany ny fanomanantenan’ireo atleta, araka ny nambaran’ny atleta. Hikendry ny laharana voalohany izy ireo amin’io lalaon’ny Nosy io. Ny Nosy La Reunion, hoy hatrany ireo atleta no tena mafy saingy tsy atahorana satria nanomana mafy. Vao mainka manome hery azy ireo ny fanohanana ataon’ny minisitra mpiahy. “Efa nanohana hatramin’izay ary tsy hiala eo anilan’ireo atleta izahay fa manohana hatramin’ny fiafaran’ny lalaon’ ny Nosy”, hoy ny nambarany, araka ny SENVH Sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna Vaovao sy toeram-ponenana izay minisitra mpiahy ny taranja Karaté, miaraka amin’ny minisiteran’ny Atitany sy fitsinjaram-pahefana. Natolotra tamin’io fotoana io ihany koa ny “prime” 300 000ar avy, tohana avy amin’ny fanjakana ho an’ireo atleta sy mpanazatra hiatrika ny lalaon’ny Nosy niaraka tamin’ny solontenan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena.
Mi.Raz