Ravatomanga Mamy : “Hitety faritra hizara ny trai­ke­fako nandritra ny 33 taona aho”

Namaly ireo resabe momba azy tato ho ato ny mpandraharaha, Ravatomanga Mamy, omaly, tamin’ny fandaharana amin’ny fahitalavitra maromaro. Voaresaka ny lafiny politika sy ny toekarena.

Nambarany fa tokony hipetraka amin’ny fandraharahana ny mpandraharaha ary tokony hifanome tanana ho amin’ny firaisankina. “Aoka tsy isika indray no hitarika hidina ambany na hanao ory hava-manana… Hitety faritra izahay hanao izay vitanay hizara ny traikefa tao anatin’ny 33 taona ho an’ireo tanora eo amin’ny fandraharahana”, hoy izy. Niantsony ny mpandraharaha mba tsy ho mora kivy izany fa tokony hanana fahasahiana sy finiavana ary koa fahatokisana.
Notsiahiviny fa 33 taona ny vondrona orinasa Sodiat tantaniny ary nisedra olana samihafa. Manana mpiasa maherin’ny 4 000 amin’ireo orinasa miisa 20. “Nanangana orinasa iray isaky ny roa taona. Fanamby izany”, hoy izy. Nohitsiny fa tsy tokony hamorona ny tsy misy amin’ny resaka momba azy.

Nanteriny fa nidiran’ny resaka politika ny lavanila ka tonga amin’izao olana izao. “Voafitaka ny olona ary tsy ahafahana manarina azy ny gaboraraka… Potika ny sehatra iray rehefa idiran’ny politika”, hoy izy. Manahy ny tenany fa ho simba io fihariana io ary tsy ho afa-bela amin’izany ireo mpanao politika nandalo tany.

Tsy ho kandidà filoham-pirenena
Momba ny maha kaonsilin’ny Serbia sy i Côte d’Ivoire azy kosa, nambarany fa tsy midika ho fialokalofana ny tsy ahazoana anenjehana azy izany. “Mifantoka amin’ny iraka eo amin’ny toekarena ny asany ary fisokafana amin’ny firenena hafa sy fifampizarana traikefa”, hoy izy.
Notsindriny koa fa tsy ho kandidà izy ary manohana ny fitondrana ny fikambanana AFF, tarihin’ny vadiny. Tsy mamatsy vola ny Mihava Tour koa ny tenany. “Diso tanteraka izany”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: