Sampana Mpanazava sy Tily FJKM: Fanamby ny hijoroan’ny Sampati matanjaka amin’ny lafiny maro

Lasy lehibe ho an’ny Sampana Mpanazava sy Tily (Sampati) sady fanamarihana ny faha-30 taona nijoroany Ambohidratrimo. Fanamby ho an’ny 30 taona manaraka ny hijoroan’ny Sampati matanjaka amin’ny lafiny rehetra. Mamolavola olom-banona sy vonona no tanjona.

Ivon’ny fankalazana ny faha-30 taonan’ny Sampati FJKM sy ny lasy lehibe eny Ialanana, Ambohidratrimo. Fanamby, ny hijoroan’ny Sampati matanjaka ara-panahy, ara-pitaovana, arak’isa. Ankaotra iza ny fananana tanjaka amin’ny hoenti-ma­nana, hoy ny tonian’ny Sampati foibe, ny mpitandrina Ran­dria­­manantena Solo Jean Jacques Séraphin na Fandrasa Mikalo.
Tsangambaton’ny faha-30 taona ny fanatsarana ny Manasoa Sampati FJKM ao amin’ny foibe izay hohatsaraina mba ho mendrika hanana ny lentany sy ny toerany. Misokatra ho an’ny rehetra ny toerana. Kendrena ho loharanom-bola maharitra ho an’ny Sampati FJKM izany.
Eo koa ny fampamokarana ka hisy ny fananganana toeram-piompiana sy fambolena eny Ankadiefajoro. Ampianarina mamokatra ny tanora.
Hanavao ny antontanisa ihany koa ny Sampati. Raha ny sala­nisa tany amin’ny taona 2000, manodidina ny 100 000 ireo mpi­kambana ka heverina ho efa mi­hoatra lavitra izany, ankehitriny.
Sampana vao fikambanana

Nanazava ny tonian’ny Sampati fa tany amin’ny taona 1993 no nekena ho sampana velona teo anivon’ny FJKM ny Sam­pati. Efa zato taona kosa ny fitaizana skoto teto Madagasikara fa ny nijoroany teo amin’ny FJKM no 30 taona. Mifototra amin’ ny fanabeazana ara-panahy, ara-tsaina, ara-batana, ara-piarahamonina sy ara-pihetseham-po ary ara-moraly no mandra­fitra ny fanabeazana skoto.
Mizara roa mazava tsara ny Sampati satria sampana izy izay vao fikambanana. Midika izany fa sampana velona ao am-piangonana fa miombona amin’ny skoto rehetra maneran-tany ihany koa ny Sampati amin’ny maha fikambanana azy.
Mitsangana mihazava… fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava (Isaia 60:1 sy ny I tesalonianina 5:5). Io ny lohahevitra voizina ao anatin’ny efatr’andron’ny fankalazana. Midika izany fa misy haizina manarona ny tany. Misy zavatra manimba sy maharary ny fiarahamonina. Tataovin-doza ny zanaka sy tanora malagasy. Izay indrindra no anton’ny lohahevitra. Hametraka ny tanora sy ny ankizy ho fahazavana amin’ny hoavy manontolo no tanjona, hoy hatrany ny tonian’ny Sampati foibe.

Tatiana A

Partager sur: