Hotanterahina anio ny fifidianana izay ho filohan’ny ligim-paritry ny baolina kitra manerana an’i Madagasikara. Misy ireo kandidà teo aloha, mbola mifaninana…
Hifantoka tanteraka amin’ny fifidianana izay ho filohan’ny ligim-paritra ny baolina kitra, ny ligy 22 manerana an’i Madagasikara, amin’ity faran’ny herinandro ity. Ho fantatra amin’ity sabotsy 12 aogositra ity mantsy ireo hitantana izany ho an’ny taom-piasana vaovao. Misy ireo kandidà teo aloha, mbola miady ny hitondra izany indray. Anisan’ireny, ny filohan’ ny ligin’Analamanga, Rakotoarimanana Henintsoa (Tôta).
Tsy misy mpifaninana izy fa kandidà tokana. Efa lany hitondra indray ny ligin’Analamanga izany ny tenany. Hanamafy ny toerany sy ny fitokisana aminy indray izany, ireo seksiona miisa 7 mandrafitra ny ligy eto an-drenivohitra.
Kandidà tokana ihany koa ny ao amin’ny ligin’Itasy, ka ny mpitantana teo ihany no nirotsaka. Toy izany koa ny ligin’ Atsimo Atsinanana sy Atsimo Andrefana ary Anosy. Arahin’ ny rehetra maso akaiky amin’ ity fifidianana ity koa ny ao Vakinankaratra. Hifampitana amin’i Fidy, filoha teo aloha mantsy i Herimamonjy Andrianiaina.
Namela ny toerany ho an’ ny tanora kosa i Hawell Mamodali, ao amin’ny ligin’i Menabe. Tsy nilatsaka intsony ny tenany.
Manohitra i Faneva Ima
Mifanindran-dalana amin’ ity fifidianana izay ho filohan’ ny ligy ity, ny famoriana ireo filohana klioba manerana an’i Madagasikara, ataon’Andriantsima Faneva Ima, kapitenin’ ny Barea de Madagascar, teo aloha. Etsy amin’ny efitranon’ ny sekoly St Michel Amparibe, no hanatontosany izany. Mitsipaka ny latsa-bato efa vita ny tenany, ary mitaky ny hanovana ny sata sy ny rafitra mifehy ny baolina kitra aloha vao miroso amin’ny fanavaozana ireo mpikambana rehetra manomboka any amin’ny seksiona, sy ligy ary federasiona.
Tompondaka