Tetikasa Papriz 3 : mihoatra ny 5t/ ha ny taham-pamokaram-bary

Nanao tomban’ezaka momban’ny famokaram-bary tamin’ny alalan’ny tetikasa Papriz, 3 natao teto Madagasikara, ny minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana, omaly, teny Antaninarenina. Tsara ny vokatra, mihoatra ny 5t/ha ny taham-pamokarana izay azo tamin’ny alalan’ny fanamafisana ny fanofanana teny ifotony niarahana tamin’ireo tantsaha mpamokatra. “Nisy ny fanamafisana sy fampitomboana ny fampiofanana izay nanampy tamin’ny fahazoam-bokatra”, hoy ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, Raharinomena Fanja. Naparitaka tamina
faritra 11 ny tetikasa ary hapetraka amin’ireo faritra 12 hafa. Maro ny fampiofanana samihafa enti-nanatsarana ny vokatra nandrasana. Tafiditra amin’izany ny fikolokoloana ny fotodrafitrasa izay antoky ny famokarana mahomby amin’ny fambolem-bary. Teo koa ny fanampiana ireo kaoperativa 17 mivarotra ny vokatra tsara kalitao izay antoky ny fampiroboroboana ny toekarena eny ambanivohitra fa indrindra ny famokaram-bary maharitra.

Henintsoa H.

Partager sur: