Tsipy kanetibe : nahazo 9 tapitrisa Ariary ny mpilalao

Tonga teny amin’ny kianja complexe Vontovorona ny minisitra mpiahy roa lahy, ny ao amin’ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Herindrainy Olivier, sy ny ao amin’ny Asa sy ny fampananan’asa, Richard Jean Bosco Rivotiana, omaly. Nitondra fanampiana ho an’ireo atleta amin’ny tsipy kanetibe izy ireo, araka ny fampanantenana natao, andro vitsy lasa izay. Nanolotra lelavola 9 tapitrisa ariary ho an’ny mpilalao, miampy ranomboankazo, tohana ara-tsakafo, fanafody, ahazoan’ireo miatrika ny fanomanan-tena. Nankahery azy ireo ny minisitra Rakotomalala Herindrainy, ary eo anilan’ny atleta malagasy hatrany ny fanjakana solontenan’izy miarahalahy minisitra mpiahy. Nanome toky ny solontenan’ny atleta, Andrianasolo Hariliva dit Rams, fa ao anatin’ny fanazarantena tanteraka ny mpilalao lahy sy vavy, ary vonona hiaro ny voninahi-pirenena. Nilaza ny filohan’ny federasiona malagasy amin’ny tsipy kanetibe, Andrialemirovason Moez Amiroudine, fa tsy hitsanga-menatra izy ireo mandritra ity lalaon’ny Nosy ity.

Njaka A.

Partager sur: