Mitohy hatrany ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ ny governemanta japoney, ho tombontsoan’ny Malagasy. Tafiditra ao anatin’ny drafi-pampandrosoana ara-toekarena sy sosialy ny tetikasa nifanaovan’ny governemanta roa tonta sonia, tamin’ny alalan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Yvette Sylla sy ny masoivohon’i Japon eto Madagasikara, Abe Koji. Toy ny isan-taona, nitondra ny anjara birikiny ny firenena Japoney amin’ny fanomezana vary milanja 1 600t tsy averina, mitentina 9 400 000 000Ar. Tetikasa ho mariky ny firaisan-kina sy fanohanana ny governemanta malagasy amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-
tsakafo manjaka eto amin’ny firenena. Tafiditra indrindra ao anatin’ny politikam-pampandrosoana maharitra izao fiaraha-miasa izao ho an’ny tombontsoan’ny Malagasy.
Tetikasa
Natao sonia nandritra io hetsika io koa ny tetikasa ho fanatsarana ny fitaovam-pitsaboana eny amin’ny hopitaly any amin’ny faritra samihafa. Porofo izao fa mirindra ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta, hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, nandritra ny lahateniny. Teboka roa voaresaka nandritra ny fihaonan’ ireto solontenan’ny governemanata roa tonta ireto ny fanatsarana ny lafiny toekarena sy ny ny sosialim-bahoaka. Vaindohan-draharahan’ny fanjakana rahateo ny fahazoana sakafo ara-pahasalamana sy ny fitsaboana tsara kalitao
ho an’ny Malagasy tsirairay. Hanova ny andavanandron’ny tokantranon’ny Malagasy ireto tetikasa roa ireto.
Henintsoa Hani