Angovo azo avaozina : napetraka ny centrale solaire manana tanjaka 2,4 MWC

Notokanana ny sabotsy teo ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ao Antsiranana. Olona aman’aliny no hisitraka ity fotodrafitrasa lehibe ity.

Ao anatin’ny politikam-panjakana ny fampiasana ny angovo azo avoazina mba hisitrahan’ny daholobe herinaratra. Napetraka ao Ankorikihely, kaominina am­banivohitra Ramena, distri­kan’Antsiranana faha-II, ny sabotsy teo, ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ ny masoandro “centrale so­laire” (CS). Manana tanjaka 2,4 MWc ary mahatratra 4 735 MWh isan-taona ny herina­ratra vokarina ao. Fantatra fa manana “onduleurs” 24 ity CS ity. Tombontsoa goavana ny fanànana azy. Tokantrano
3 600 no hisitrika ny herinaratra voalohany ary hahatratra hatramin’ny 19 000 ny hanjifa izany eo anivon’ny kaominina Antsiranana. Mirefy hatramin’ ny 140 225 m² ny toerana misy ity fotodrafitrasa ity ary hanala entona ratsy (CO2) milanja 1 889 t isan-taona izany. Mbola hamatsy ny tambajotran’ny orinasa Jirama ihany koa io tobim-pamoka­rana herinaratra avy amin’ny masoandro io.

Fiaraha-miasa

Taratry ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankiana ny naha­zoana izao vokatra izao. Kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny firenena ny sehatry ny an­govo. “Tanjon’ny fitondram-panjakana ny hampiakatra avo roa heny ny tahan’ny vahoaka misitraka herinaratra eto Madagasikara. Porofo, ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro, manerana ny Nosy. Mitotaly 78 izy ireo. Tsy hisy faritra, na distrika, na kaominina ho hadinoina amin’ny fampisitrahana herinaratra. Laharam-pahamehana amin’ izany ny tontolo ambanivo­hitra”, hoy ny minisitry ny An­govo sy ny akoranafo, Andria­manampisoa Solo, nandritra ny lahateniny. Tafiditra ao anatin’izany ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny tohodrano lehibe.

Henintsoa Hani

Partager sur: