Chef d’Escadron Manampy Chantol: « Maty vao haingana ny vadiko no voatifitra aho… »

« Maty ny vadiko, voatifitry ny da­halo aho… hanao ahoana ny hoavin-janako », hoy ny kaomandin’ny von­dron-tobim-paritry ny zandarimaria Manja, ni­tan­tara ny zava-nanjo azy, nandritra ny fifandonana tamin’ny dahalo. Tena misy ny asan-dahalo fa tsy araka ny fieritreretan’ny olona azy…

Iray amin’ireo distrika dimy mandrafitra ny faritra Me­nabe ny distrikan’i Manja, faritan’i Toliara. Eo anelane­lan’i Morondava sy Toliara ny misy azy. Adiny enina man­deha fiara tsy mifidy lalana (4×4) raha miainga avy eo Mo­rondava dia tonga ao Manja. Somary mafampana ny tsy fandriampahalemana ao amin’ ity distrika ity ary efa voaso­kajy ho anisan’ny faritra mena amin’ny asan-dahalo aza izy teo aloha. Somary efa milamindamina izany ankehitriny noho ny paikady napetraky ny mpitandro filaminana. Manao izay ho afany rahateo ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria Manja hampandrina fahalemana ity distrika ity. Anisan’ ireo voatifitry ny dahalo nandritra ny fifandonana tao An­gebongebona, fokontany Soa­tanimbary, kaominina ambani­vohitr’Ambia, distrikan’ i Ma­habo, ny oktobra 2022, ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria Manja, ny Chef d’escadron Manampy Chantol. Mafy ny fifandonana tamin’ny andian-dahalo manodidina ny 60 lahy niaraka ta­min’ny fitaovam-piadiana ma­hery vaika nanafika tao Ange­bongebona, ny 28 oktobra 2022. Tamin’ny 7 ora maraina no nisian’ny fifandonana naha­ritra teo amin’ny ora maro­maro. « Samy niparitaka ny miaramila fa izaho irery sisa no nifampitifitra tamin’ireo malaso. Nitodika nijery ny manodidina aho efa tsy hitako intsony ireo zandary niara-dia tamiko », hoy hatrany ny fitantarany. Nohodidin’ireo malaso ity manamboninahitra ambony ity rehefa voatifitra ka tsy nahatsiaro tena intsony.

« Ireo zanako no tena nampalahelo ahy… », hoy ny Chef d’Escadron Chantol

« Fito lahy ry zalahy no hi­tako ary saika mbola hitifitra ihany aza izy ireo saingy he­noko ny dahalo iray niteny hoe andao andeha fa efa maty io », araka ny fitantarany momba ity fifandonana tamin’ny da­halo ity. Nisy tamin’ireo dahalo koa no maty voatifitra tamin’io fotoana nisian’ny fifampitifi­rana io. Lasa nitsoaka ireo dahalo rehefa nihevitra fa tena maty tokoa ny chef d’escadron Chantol. Na­lain’izy ireo ny basy Kalach niaraka tamin’ny finday, saingy tafaverina ihany izany taorian’ny fanarahan-dia nataon’ny zandary. Marihina moa fa zandary iray hafa namoy ny ainy noho ny tifitra nahazo azy. Ireo zandary mpiara-miasa aminy no nandeha nanao fikarohana rehefa nahita fa tsy tonga tany amin’ ny toby ny Chef d’escadron Chantol. Nomarihiny fa vao maty vao enim-bolana talo­han’io nahavoatifitra azy io ny vadiny. Niantefa tany amin’ireo zanany sy ny ho aviny avy hatrany ny sainy raha iny izy voatifitry ny dahalo iny. « Ha­nao ahoana ny ho avin-janako, ny vadiko maty, izaho koa ity voatifitra? Tao anaty alahelo tanteraka no niainako an’izany », hoy izy. Soa ihany fa nalaky ny fandraisana andraikitra nataon’ ireo lehibe isan’ambaraton­gany ka nentina notsaboina haingana teny amin’ny hopi­taly miaramila aho, raha ny fanazavany.


Paikady fiaraha-miasa amin’ny Kalony sy ny Dahalo niova fo…

Manana tobim-paritra dimy sy zana-tobim-paritra iray ny faritra iadidian’ny kaomandin’ ny vondron-tobim-paritra Manja. Nambarany fa azo tsapain-tanana ny fandriampahalemana ao amin’ny distrikan’i Manja nandritra ny herintaona sy enim-bolana nahatonga­vany tao an-toerana. Paikady ny fiaraha-miasa amin’ireo Kalony isaky ny kaominina sy ireo dahalo niova fo. Mavitrika ireo Kalony sy ireo dahalo niova fo miara-miasa amin’ny zandary amin’ny fametrahana fandriampahalemana ao Manja. « Raisina miverina eny amin’ ny fiarahamonina ny dahalo. Betsaka ireo dahalo no efa te hiverina eny amin’ny fiarahamonina fa noho ny fanenjehana azy, noho ny asa ratsy nataony no mahatonga azy hitsoaka any anaty ala », hoy izy. Noha­mafisiny aza fa vao mainka mitarika namana izy ireny dia mitambatra indray ry zalahy manohy ny fangalarana omby. Ny famerenana sy fandraisana ireo dahalo niova fo ireo ihany no manamora sy/na manampy ny zandary amin’ny fametrahana fandriampahalemana maharitra, raha ny nambarany. Ireo dahalo niova fo ireo ihany, araka izany, no mahalala ny namany any amin’ireo distrika mpifanolobodirindrina aminy. Raha misy mikononkonona halatra omby ataon’ny dahalo, efa maheno mialoha amin’ireo dahalo niova fo ireo ny zan­dary. Fisorohana mialoha ny fandikan-dalàna rahateo ny asan’ny zandarimaria. Voaso­roka mialoha sahady ny asan’ ireo dahalo noho ny angom-baovao voarain’ny zandary.
Ankoatra izany, mitohy ny fanentanana ny olona mba hamerina any amin’ny tobin’ny zandarimaria (borigady na zana-tobim-paritra) ireo basy tsy ara-dalàna miparitaka any ampelatanan’ireo olon-dratsy. Basy 18 no efa voaray ao amin’ ny biraon’ny zandary, araka ny tatitra nampitainy. Toy izany koa ny raharaha trangana fakana an-keriny. Tsy dia hita loatra izany ao amin’ny faritra ididiany saingy mandray kely ao amin’ny distrikan’i Mahabo mitohy any Mandabe no misy trangana fakana an-keriny. Na eo aza anefa izany, tsy mihoatra ny telo ity tranga ity.

Nanatontosa :
Jean Claude

Partager sur: