Fananahana ara-pahasalamana : ilaina ampidirina anatin’ny fandaharam-pianarana

Tanora latsaky ny 25 taona avokoa ny 64% amin’ny Malagasy. Mbola latsaky ny 15 taona ny antsasamanilan’izy ireo, araka ny antontanisan’ny Tahirin’ny Firenena mikambana ho an’ny mponina (Unfpa).

Mbola olana ho an’ny firenena ny fananahana ara-pahasalaman’ny tanora sy ny zo mifandraika amin’izay satria ny 31% amin’ny tovovavy 15-19 taona efa niteraka avokoa. Taha isan’ny ambony indrindra maneran-tany izany, araka ny fanadihadiana momba ny fivoaran’ny mponina sy ny fahasalamana « EDSMD 2021 ». Vohoka tsy niriana ny ankamaroany ary mahakasika ny sokajim-piarahamonina rehetra.
Mandritra ny fiatrehana ny fanadinana bakalorea amin’ny adina ara-panatanjahantena no anisan’ny hahatiliana ny vohoka entin’ny mpiadina, ho an’ny eto Antananarivo. Misy tranga miseho toy izany koa any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Tsy ampy ny fanentanana sy ny fanabeazana momba ny fananahana ara-pahasalamana any an-dakilasy. Tsy mbola manana fahazarana mampiasa fanafody fandrindram-piterahana ny zatovo.
Voafaritry ny lalàna mazava anefa ny fanaovana izany. Toy ny andininy faha-5 amin’ny lalàna laharana faha-2017-043. Ity farany izay mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fandrindrana fiterahana. Voalaza amin’izany fa : “tsy miankina amin’ny taona, ny isam-batan’olona dia mahazo fisahanan’asa feno, manan-jo hahazo fanabeazana, fandraisana an-tanana eo amin’ny lafiny fahasalamana sy ny fandrindrana fiterahana”.
Nanome toromarika ny Unesco, anatin’ny tari-dalana amin’ny fanabeazana feno momba ny fananahana ara-pahasalamana, fa mampihena betsaka ny trangana aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo toy ny Vih/Sida, angatra… ary ny vohoka tsy niriana, ny fanabeazana feno momba ny fananahana any an-tsekoly sy ivelan’ny sekoly.
34,1% ny tahan’ny fampiasan’ny tanora ny fanafody fandrindram-piterahana eto Madagasikara.

Vonjy A.

Partager sur: