“Tsy manao valifaty ary mametraka ho ambony ny fihavanana isika”, hoy ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny, tamin’ny Mihava Tour tao Fianarantsoa, ny faran’ny herinandro teo. Nampanantena ny hanokatra ny orinasa Tiko, ahena ny vola aty amin’ ny fanjakana foibe ary omena ampahany betsaka ny kaominina.
Namaranan’ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery, ny fitsidihany tany avaratra, ny tao Ambilobe, ny sabotsy teo. Nambarany fa tena misedra olana sosialy tahaka ireo faritra hafa notsidihiny ny any an-toerana. “Tsy kivy anefa ianareo vahoaka fa vonona hijoro hifanolo-tanana amiko amin’ny fikatsahana ny tombontsoa iombonana”, hoy izy.
Tsy maintsy hisy ny fifidianana, araka ny fijerin’ny vovonana Gasy Leo. Tsy maintsy ny fikaonandoham-pirenena no hamahana ny zava-drehetra. Ny samy Malagasy no mifandamina sy mifanaraka, indrindra ireo hirotsa-kofidina ho filohan’ny Repoblika. Hoeken’ny rehetra izay tapaka amin’izay.
“Niova ho ratsy ny fanaovana politika”, hoy ny mpanao politika Ralison Roger. Satria lasa ny vola no mibaiko amin’izao. Tsy mahagaga fa olona manam-bola avokoa ireo mifaninana amin’ny politika. Very izany ny foto-kevitra hoe hampandroso ny firenena.