FIANARANTSOA : niakatra ho 57,89% ny vokatra, bakalorea

Nivoaka, omaly, ny va­lim-panadinana bakalorea 2023 ho an’ny faritanin’i Fianarantsoa. Maha­tratra 57,89 % ny taham-pa­hafahana ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny sampana teknika miaraka. Nia­katra ny taham-pahafahana raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa satria 43,95% izany. Miisa 19 985 ireo nahazo ny mari-pahaizana bakalorea tamin’ireo 34 521 nisoratra anarana. Ho an’ny fampianarana ankapobeny, 19 372 no afaka soa aman-tsara amin’ny mpiadina 33 428 ka manome ny taha 57,95 %. Ambony indrindra ny taham-pahafahana ho an’ny sokajy A1: 72,61 %, raha 66,18 % ny sokajy L; sokajy C : 63,61 %; sokajy A2 : 62,39 %; sokajy OSE : 53,99 %; sokajy D : 44,01 % ary sokajy S : 30,28 %.
Ho an’ny sampana teknika, 613 ireo nahazo ny mari-pahaizana tamin’ny mpiadina 1093 nisoratra anarana, amin’ny sampana teknolojika sy arakasa. 56,08 % ny taham-pahafahana ho an’ny taona 2023.
Fianarantsoa no voalohany namoaka ny valim-panadinana ho an’ity taona ity. Nivoaka teny amin’ny foibem-panadinana ny anaran’ireo afaka. Niara-niasa tamin’ny radio Rofia ao Fianarantsoa koa ny tomponandraikitry ny bakalorea ka novakiana tao amin’ny onjam-peo 91.4FM ny anaran’ireo afaka, omaly hariva.
Ny sabotsy teo no vita ny “délibération” niantsoana ny mpitsara rehetra nisahana ny fitsarana ny taratasim-panadinana.

Niakatra ny vokatra

Nanana foibem-panadinana koa ny toerana lavitra toy ny tany Midongy Atsimo, Ikongo, Nosy Varika, Ikala­mavony, Vondrozo. Nizotra tsara avokoa ny fanadinana tany amin’ireo distrika ireo. Eto Antananarivo, ny 17 aogositra no hanatanterahan’ny mpitsara ny “délibération”, araka ny lamina napetraka tamin’ny fiandohan’ny fitsarana ary hivoaka mialohan’ny hisokafan’ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, ny valim-panadinana.

Vonjy A.

Partager sur: