Fiaraha-miasa : vonona hanampy an’ i Madagasikara i Japon

Tonga nitsidika ny Praiminisitra, Ntsay Christian, teny amin’ ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, ny zoma teo, ny delegasiona avy amin’ny firenena japoney. Tao anatin’izany ny masoivohony miasa eto an-toerana, Abe Koji, ny minisitra japoney misahana ny Toekarena sy ny varotra ary ny indostria. Tao ihany koa ny tale jeneraly misahana ny politikan’ny varotra, Matsuo Takehiho ary ireo tomponandraikitra sami­hafa niaraka taminy.
Vonona ny hampandroso ny toekaren’ny firenena malagasy ny governemanta japoney? amin’ny alalan’ny fanohanany ny tetikasa “Ambatovy” sy ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Notsindriny manokana fa manana tontolo iainana sy rohivoaary miavaka i Madagasikara hoenti-mampiroborobo ny sehatry ny fizahantany maharitra. Naneho ny fahavononany hanampy ny firenena malagasy ireto delegasiona ireto mandritra ny fampirantiana atao any Osaka, Japana, amin’ny 2025, momba ny fampiroboroboana ny fizahantany, anatin’ny fikajiana ny tontolo iainana.

Henintsoa H.

Partager sur: