Nifarana ny sabotsy 12 aogositra lasa teo, tao Abidjan, renivohitr’i Côte d’Ivoire, ny fiadiana ny ho tompondakan’ ny “IHF Trophy continental”, sokajy zandriny, vehivavy (cadette) sy «junior». Ratsy ny vokatra ho an’ny Akio de Madagascar. Tsy nahazo fandresena mihitsy mantsy ny ekipam-pirenena malagasy tamin’ireo lalao rehetra nataony. Nametraka azy ireo, amin’ ny toerana farany izany.
Marihina fa niadiana ny tapakila hiatrehana ny “IHF Trophy mondial”, ity fifaninanana ity. Hisolotena an’i Afrika amin’izany, i Nigeria ho an’ny «cadette» raha i Guinée eo amin’ny «junior».
Raha tsiahivina ny vokatra ho an’ny Akio, teo amin’ny «cadette». Lavon’i Rwanda, 46 no ho 21. Resin’i Nigeria, 54 no ho 18 ary niondrika teo anatrehan’i Guinée, 46 no ho 13. Niady ny laharana fahatelo tamin’i Rwanda, saingy resy 29 no ho 23.
Ho an’ny «junior» kosa, lavon’i Côte d’Ivoire, 32 no ho 11, ho an’ny lalao voalohany. Niondrika teo anatrehan’i Guinée, 42 no ho 14, teo amin’ ny andro faharoa ary lavon’i Tanzanie, 32 no ho 21, teo amin’ ny fihaonana fahatelo. Tsy mbola tafavoaka teo anatrehan’ny Tanzanianina, teo amin’ ny fiadian-toerana fahatelo.
Tompondaka