Lalaon’ny Nosy: noraisina tany Antsiranana ny afo Olympika

Nigadona ny sabotsy hariva eto Madagasikara, ny afo Olympikan’ny lalaon’ny Nosy. Tao Antsi­ranana no nandray izany. Hitety ny renivohi-paritany enina, mialoha ny lalao.

Vahoaka marobe no efa niandry ny fahatongavan’ny afo Olympika, tao amin’ny kianjan’Antsiranana, ny sabotsy lasa teo. Nandray izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoe­lina Andry. Naka izany tany Maorisy ny delegasiona notarihin’ ny minisitra Resampa Haja André tamin’ny zoma. Namba­ran’ny filoha, Rajoelina Andry fa hampiredareda ny firaisan-kina, sy firaisan-tsaina ary firaisam-pon’ny Malagasy ity afo Olympika ity. « Mba ao anatin’ny fifankatiavana tanteraka no hiatrehina ny lalaon’ny Nosy. Averiko ombieny ombieny fa fandresena ao anatin’ny fahasamihafana no tanjona”, hoy hatrany izy. I Sidonie Fiadanantsoa no niaraka nampita ny afo tamin’ny filohan’ny Repoblika.

Atleta manana ny maha izy, nitondra avo ny voninahi-pirenena teo amin’ny taranja atletisma i Sidonie. Ankoatra ny nandrombahany ny medaly volamena, tamin’ny lalaon’ny Nosy, ny taona 2019, tatsy Maorisy. Vao nahazo ny laharana voalohany tamin’ny lalaon’ny Frankôfônia farany teo, tany Kinshasa, Congo izy. Anisan’ny atleta antenaina handrombaka me­daly volamena amin’ity lalaon’ ny Nosy, hatao eto Madaga­sikara izy. Nitso-drano azy ny filoha Rajoelina.

Tsiahivina, efa tany Mahajanga ny afo olympika, omaly. Mbola hitety ireo renivohi-paritany hafa, toa an’i Toliara, Fiana­rantsoa, Toamasina mialoha ny hijanonany eto Anta­nanarivo. Afaka 11 andro dia higadona ny fotoana hanatanterahana ny Lalaon’ny Nosy. Efa anatin’ny fikarakarana tanteraka, na ny fandraisana ny vahiny delegasiona na ny eo amin’ny fanomanana ireo Malagasy atleta. Anatin’ny famaramparanana ny zava-drehetra ny tomponandraikitra amin’izao fotoana izao.

Mi.Raz

Lalan’ny Afo Olympikan’ny lalaon’ny Nosy

12 aogositra: Antsiranana
13 aogositra: Mahajanga
19 aogositra: Toliara
20 aogositra: Fianarantsoa
23 aogositra: Antananarivo

Partager sur: