Lozam-pifamoivoizana: talem-paritry ny Asa vaventy namoy ny ainy

Niara-maty ny mpamily sy ny vehivavy iray hafa tao anatin’ny fiara tra-doza teo An­tsira, kaominina Antsoatany, distrikan’ Antsirabe II, omaly. Vaky kodiarana tampoka ny fiara tsy mataho-dalana nen­tin’ny talem-paritry ny Asa vaventy iray, tamin’ny 11 ora maraina. Nivadibadika ny fiara teo amin’ny PK 142+900. Vokany, maty tsy tra-drano ny vehivavy iray tafavoaka tao anatin’ny fiara. Tsy avotra koa ny ain’ilay talem-paritra rehefa nentina nihazo ny hopitaly. Voa mafy teo amin’ny lohany ity farany. Naratra mafy ny olona roa hafa tao aoriana.
“Efa notsaboina eo anivon’ ny hopitaly Ave Maria Antsi­rabe ireo naratra”, hoy ny fa­na­zavan’ny zandary ao an-toerana. Anatin’ny fanadihadiana lalina ny zandarimaria ao Antsirabe, ankehitriny. Ni­kasa hihazo an’i Toliara hitokana fotodrafitrasa ireto tra-doza. Ankoatr’io, olona iray maty, vokatry ny lozam-pifamoivoizana ihany, tao Am­ba­rivato, Nosy-Be, omaly. Olona dimy tao anatin’ny fiara Starex. Naratra ny efatra ka nentin’ ireo nanatri-maso ni­hazo ny hopitaly.

Tsiferana R.

Partager sur: