Mpihira, mpitendry sy mpampianatra zavamaneno, mpikaroka… Fantatra, omaly, fa nodimandry i Tiana Andrianaina andrarezin’ny hira malagasy. Taona 1980 ka hatramin’ny taona 1990 no tena nampamirapiratra azy teo amin’ny zavakanto. « Any an’ala », « Miràna », « Korana », hira anisan’ny nahafantarana ny tarika Tiana Andrianaina.
Izy no iray amin’ireo nanana fahasahiana lehibe nitondra zava-baovao amin’ny hira malagasy.
Nanao fikarohana manokana i Tiana Andrianaina ka nanakambana ny karazan-gadona. Nanomboka teo, saika nitodika tany amin’io voka-pikarohana io ny mpanakanto maro. Niha fantatra sy nahazo laka tsikelikely ny « fusion » nitambaran’ny jazz sy ny klasika ary ny bagasy.
Nampianatra mitendry piano tao amin’ny Foibem-pirenena fampianarana mozika izy ka famerimberiny tamin’ny mpianany ny hoe : « tsy tsara ny mihaino mozika tokana. Henoy daholo ny rehetra. Klasika, jazz, bagasy, sns. Henoy fa mahasoa sy mampivelatra ny talenta ireny ». Mirary fiononana feno ho an’ny tontolon’ny kanto malagasy sy ny fianakaviana manontolo ny Gazety taratra.
HaRy Razafindrakoto