Mondial sokajy vehivavy : notapahin’i Australie ny nofin’i Frantsa

Notanterahina ny sabotsy 12 aogositra lasa teo, ny lalao ampahefa-dalana ho an’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany « Mondial 2023 », taranja baolina kitra, sokajy vehivavy. Lavon’i Australie, mpampiantrano, tamin’ny fandakana « tirs au but » 7 no ho 6 i France, rehefa nisaraka ady sahala tsy nisy nitoko 0 no ho 0, nandritra ny fe-potoana ara-dalàna. Lalao notontosaina tao amin’ny kianjan’ny Suncorp Australie ity natao ity.
Tapitra hatreo, araka izany, ny lalan’ny frantsay amin’ny “Mondial” raha toa ka i Angle­terre kosa no mihaona amin’ ny Aostralianina, ny alarobia ho avy izao. Tsiahivina fa ny ekipam-pirenena Anglisy, nandresy an’i Colombie, tamin’ny isa 2 no ho 1. Araka izany, efa fantatra avokoa ireo firenena tafita amin’ny manasa-dalana: i Espaina sy i Suède, i Aus­tralie sy i Angleterre.
Ny talata ho avy izao, hifanandrina amin’i Espagne i Suède. Ao amin’ny kianjan’ny Eden Park, Nouvelle Zélande. Tsara ny mampahafantatra fa nanomboka ny 20 jolay ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 20 aogositra ity « Mondial » ity.

Fitia

Partager sur: