Soa toa lavina

 

Aiza ho aiza ny satan’ny fitsipi-pitondran-tena ho an’ ny antoko politika sy ny kandidà amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika? Tsy very na maty hafoy, tsy antenaina avy hatrany. Manana ny fotoany ny zavatra rehetra? Na izany aza, miankina amin’ny tena ihany ny hoe fitsipi-pitondran-tena amin’ny fanaovana politika. Manana etika sy kolontsaina politika ve ny antoko politika? Na mahalala sy miaina…
Tsy takona afenina, misy ny mpisehatra politika mitompo teny fantatra amin’izay lazainy sy ataony. Miara-dalana amin’izany ny fitsikerana ny hafa, ny fihantsiana, fanakorontanana… Toy ny hoe tsy misy na mangatsia­tsiaka ny politika, raha tsy misy an’izay. Tsy mbola tratra ny hoe ny hevitra no miady sy ampiadiana fa tsy ny olona. Ny hevitra tsy omen-danja no mahatonga sy mampahazo vahana ny adilahy politika?
Amin’izao fifidianana izao, mba hisy amin’izay hiady sy hampiady fandaharanasa, fomba fiasa, tetiandron’asa… ? Mba tsy hisy ny kapa ranjo, teny tsy tsaroana, fanaovana bodongerona… Izay no maha zava-dehibe ny satan’ny fitsipi-pitondran-tena amin’ny fifidianana. Nefa mandeha koa ny resaka fa tsy firy ny manao sonia; izay manao sonia, misy tsy manaja izay nosoniaviny. Ma­nomboka any ny fitsipi-pitondran-tena? Fanajana ny teny nomena.
Mila fahatokisan-tena izany amin’izay lazaina sy atao, fifanajan’ny samy mpifaninana, fifampitokisan’ny mpifidy sy izay fidiny… Hatraiza? Ny mpanao politika no tsy ma­naja tena na tsy miraharaha ny hafa? Hany ka mila arofanina, fitsipi-pitondran-tena, fifanaraha-maso… Amin’ izany, soa toa lavina ny soatoavina, na fantatra izao aza ny maha zava-dehibe azy. Fahazoana fahefam-panjakana no mahamaika sy mahajamba? Tsy ananana kolon­tsaina sy soatoavina politika… tsy mbola manan-danja.

R. Nd.

Partager sur: